<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Aoka ho an'Andriamanitra FFPM461</title>
<lyrics>[V1]
 Aoka ho an'Andriamanitra
 Ny fanendrena ny lalanao,
 Fa hovimbininy hianao
 Amin'ny lalan-tsarotra ;
 Fa toky tsy mamitaka
 Ny tenin'Andriamanitra.

[V2]
 Fa inona no azonao
 Amin'ny fitahiana ?
 Tsy afaka ory hianao
 Noho ny fisentoana ;
 Na be herehina hianao,
 Ho be ny alahelonao.

[V3]
 Lefero kely, maneke
 Izay sitrak'Andriamanitra,
 Ny zavatra tinendriny
 Tsy maintsy mahasoa anao ;
 Isika nofinidiny,
 Ka tsy ho foiny indray.

[V4]
 Fa fantatr'Andriamanitra
 Izay andro hifaliana
 Isika no hodioviny
 Amin'ny fahoriana ;
 Tsy maintsy hofantenana
 Vao afa-pahoriana.

[V5]
 Dia aza atao fa hianao
 Afoin'Andriamanitra ;
 Fa Izy dia mananatra
 Ny zaza izay tiany,
 Ka dia mba manomana azy
 Handova ny an-danitra.

[V6]
 Misaora ny Ananrany,
 Fa aza ketraka hianao
 Fa ho tanteraka aminao
 Ny soa lazain'ny Teniny ;
 Fa toky tsy mamitaka
 Ny Tenin'Andriamanitra.</lyrics>
<hymn_number>461</hymn_number>
</song>